Zandary mirahalahy, ny lehiben’ny borigadin’i Mahabo sy ny namany iray nitaingina moto andeha hijery ny zava-misy ka niainga avy any
any Mahabo ho any Analaiva no indray maty tsy tra-drano noho ny fipaohan’ny fiarabe nitatitra siramamy avy any Analaiva azy ireo, omaly alakamisy 11 desambra 2014, araka ny fampitam-baovao matotra avy any an-toerana. Nentina nandrasana tany Mahabo ny nofo mangatsiakan’izy ireo omaly ihany ary efa tonga niondrika farany nanome voninahitra azy ireo ny olom-panjakana maro any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.