Na dia maro aza ny milaza fa hitondra tombontsoa ho an’ny Malagasy ireo mpamatsy vola tonga eto dia tsy maintsy jerena amin’ny antsipirihany ny tombontsoany,
hoy Dr Razafindrakotoarison, sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny firenena. Izay tokoa ve no arovana ? Ny zavatra hita any Soamahamanina amin’izao fotoana dia tsy miaro ny Malagasy ny mpitandro ny filaminana fa ireo vahiny mpitrandraka no avotany. Misy antony matoa mitroatra ny vahoaka any an-toerana ary misy voasambotra. Misy voakitikitika sy mankarary azy ao. Mahatsapa izy ireo fa tombontsoan’ny Sinoa no arovana fa tsy an’ny Malagasy. Fahadisoan-kevitra lehibe ny filazan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany fa mitovy ny tombontsoan’ny Sinoa sy ny Malagasy mikasika ny fitrandrahana ao Soamahamanina. Filazana lainga amin’ny Malagasy io. Mila hazavaina tsara hoe ireto avy ilay antsika ary ireto kosa no an’ireo vahiny. Anisany ny any Ambatovy sy QMM Taolagnaro. Raha 1% ve no azon’ny Malagasy dia mitovy ? Olom-bitsy ao amin’ny fitondrana angamba no voalaza amin’ilay hoe “gagnant gagnant”. Raha nahazo tombontsoa ny vahoaka Malagasy dia tsy nihetsika fa nifaly sy nihoby, hoy izy namarana ny teniny.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.