Roa volana mahery kely izay no lasa. Nanomboka nihetsiketsika ireo mponina tao Soamahamanina nohon’ny fahatairana fa misy orinasa sinoa mitrandraka ny harena an-kibo sy ambonin’ny tany ao amin’ny faritr’Itasy
. Raha ivon’ny harem-pirenena eto Madagasikara no amaritan’ny tambazotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary na ny TAFO MIHAAVO ity faritra ity no izy voalazan’izy ireo fa faritra isan’ny be harena indrindra eto amintsika, raha tsy hilaza afa-tsy ny ala tapia sy volamena, araka ny fanadihadiany. Ankehitriny dia lasa ivon’ny olana eo amin’io sehatra io kosa izany satria dia tsy miafina fa efa miandany tanteraka amin’ireo sinoa mpitrandraka ao an-toerana ankehitriny ny fitondram-panjakana.
Tsy volamena ihany
Raha tsiahivina dia efa voalaza tamin’ireo haino aman-jery samihafa fa fahazoan-dalana miisa 4 no azo angatahana raha maniry hitrandraka ao Soamahamanina. Ankoatry ny volamena dia eo koa ny vy (fer), ny « zinc » ary ny « berilium ». Ny taona 2011 koa no efa nisy nilaza azy ho mpitrandraka safira ao an-toerana, hitan’ireo mpitrandraka vaovao, nivezivezy nanao ny varony teto an-drenivohitra ary mbola nivoaka tamin’ny gazety mpiseho isan’andro teto an-drenivohitra izany raha vao nanomboka nafampana ity raharaha Soamahamanina ity. Ny nahagaga anefa dia tsy tafiditra ao anatin’ilay fahazoan-dalana voalaza teo io resaka safira io. Raha ny tsenan’ny volamena sy ny zava-bitan’izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no lazaina dia mampanahy be ihany ny hino fa volamena fotsiny no antony hifikiran’ireto sinoa ireto ao Soamahamanina.
Mpamokatra hiaka farany
Ireo mpanara-baovao dia tsy misy tsy mahalala fa isan’ny lohalaharana amin’ny famokarana ireny hairaha na tekinolojia hiaka farany ireny ny sinoa. Raha ny fantatra dia isan’ny akora fototra ilaina amin’ny fahatomombanan’izy ireny ny safira. Isan’ny matanjaka eo amin’ny tsena sy famokarana fitaovam-piadiana ihany koa anefa ity firenena asiatika ity ka raha ny fantatra dia akora isan’ny ilaina be amin’izany ny « berilium ». akora fototra io hahafahana mamokatra ireny vatana sambo fiara ireny sy hanamboarana fiaramanidina mpiady ihany koa. Raha tsiahivina ny zava-nisy raha niezaka nanazava ny momban’ny raharaha Soamahamanina sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara tamin’ny farany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny angovo dia niezahany mihitsy ny tsy hamoitra tarehimarika be loatra tamin’ny mpanao gazety ary raha mbola nisy mpanao gazety niverina teny amin’ny minisitera eny Ampandrianomby aza, roa andro tao aorian’io fanomezana fanazavana io, dia nanambara ny talen’ny kabinetra fa tsy anjarany ny lafiny tekinika. Notetezina koa anefa ireo sampana sasany tao amin’ny minisitera ary dia samy niala tsy ho tomponandraikitra amin’izany avokoa izay natoro sy nasaina natonona.
Mampitombona ireo tarehimarika voalaza tany aloha
Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny faritr’Itasy teo aloha dia 64 karea no fitambaran’ny velaran-tany azo trandrahana ao Soamahamanina ary 7 karea amin’izay no hananan’ireo sinoa alalana. Izany hoe raha 625 metatra ny karea 1 dia tokotokony ho 4375 metatra na 4,375 kilaometatra no toerana hitrandrahan’ireo sinoa miasa ao an-toerana amin’izao fotoana izao ary mandritry ny 40 taona, raha ny vaovao voalazan’ireo haino aman-jery isan-karazany tamin’ny 2 volana lasa. Nilaza moa ny talen’ny kabinetra fa tsy misy hidiran’ny fanjakana io resaka ao Soamahamanina io satria alalana efa an’olon-tsotra taloha no novidian’ny sinoa ary azo atao izany. rehefa nanontaniana ihany koa ny tenany mikasika ny tombotsoa azon’ny tompontany rehefa misy ny fitrandrahana toy itony dia zara-mitovy (gagnant gagnant), hoy ny tenany ny an’ny tompony sy ny mpitrandraka satria ny tompony mahazo foto-drafitrasa toy ny lalana, ny tobim-pitsaboana, ny herinaratra sy ny sisa. Ny mpitrandraka ihany koa dia mahazo izay ilainy, raha ny fanazavany. Dia anjaran’ny rehetra moa izany no manamarina ny fitombonan’izany teny hoe “zara-mitovy” izany, raha ilay fanazavana teo. Tsiahivina hatrany ihany koa fa 1% no tarehimarika navoakan’ny TAFO MIHAAVO mikasika ny anjaran’ny fanjakana malagasy ao anatin’ity fitrandrahana ity. Ny avy eo anivon’ny minisitera anefa dia sahy manitrikitrika fa tsy maintsy mitohy ny fitrandrahan’ireo sinoa ao Soamahamanina. Hatreto, raha ny vaovao farany, amin’ny velaran-tany 1.700.000 karea dia velaran-tany 700.000 karea sisa no tsy misy mitrandraka.
Nampiaka-peo hatramin’ny mpitondra fivavahana
Fikambanana maro, vondrona politika, vondron’olon-tsotra, hatramin’ny fiombonan’ny Eveka, ny volana jona lasa teo dia samy nampiaka-peo avokoa nanoloana ity raharaha Soamahamanina ity. Niombom-peo ireo fa mizotra any amin’ny fivarotana ambongadiny ny harem-pirenena sy ny tanindrazana ny fitondram-panjakana ankehitriny raha mbola hiziriziry amin’ny famelana malalaka ireo orinasa vahiny hitrandraka harem-pirenena eto amintsika ihany. Olona 6 hatreto no voasambotra nohon’ny fanoherana ny zava-misy ao Soamahamanina ary mpanao politika 3 hafa ihany koa no nilaza ho naheno fandrahonana fa ho samborina. Nanomboka niakatra ihany koa ny isan’ireo naratra vokatry ny fifandonan’ny samy malagasy satria dia mpitandro filaminana ny 5 amin’ireo ary 6 sivily. Tsy mbola heno aloha hatreto hoe nisy sinoa voakitikika. Ny ahiana dia ny hisian’ny hamoy ny ainy, sanatrian’izany, amin’ity herinandro ity satria dia samy efa nilaza fa samy hanamafy ny hetsiny sy ny fiarovan-tenany ny andaniny sy ny an-kilany dia ny sivily sy mpitandro filaminana. Tonga amina fitenenana vaovao izy ity dia ny hoe “Izy mivady no miady ka ny mpanararaotra no mahazo tombony.”
Nangonin’i Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.