Hivoaka anio ny didim-pitsarana ireo olona 5 mianaka nosamborina sy nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny raharaha Soamahamanina.
Vesatra 5 no hanenjehana azy ireo dia resaka fangalarana basy nandritra ny fihetsiketsehana, fandoroana tanety niniana natao, fitarihan’olona hikomy ary fisakanana ny fifamoivoizana. Mikasika ilay basy dia voalaza fa ny harivan’ny fihetsiketsehana tamin’ny 22 septambra dia efa tafaverina tamin’ny mpitandro filaminana. Tsy hay izay havoakan’ny valim-pitsarana anio fa efa nisy kosa ny antso avo nataon’i John Knox, mpitondra tenin’ny Firenena mikambana eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny zon’olombelona fa tokony hanaja sy hitandro izany zon’olombelona izany ny fanjakana Rajaonarimampianina fa tsy manao be marenina. Ny mpisolovava Me Willy Razafinjatovo (Olala) dia nilaza fa hampiakatra ny raharaha raha toa ka fanamelohana no didy hivoaka eo. Efa tsy raharaham-pirenena intsony ity fa efa miditra an-tsehatra ny sehatra iraisam-pirenena saingy tsy hay na hanaiky hilefitra ny mpitondra na handetika hatramin’ny farany ireto olona 5 efa nogadraina nandritra ny fotoana ela ireto.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.