Actualités

Raharaha Soamahamanina Diniho haingana, hoy ny CNIDH


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Manoloana ny zava-misy iainan’ireo mponina ao Soamahamanina, mahakasika indrindra ny fitazonana am-ponja ireo mpitari-tolona roa lahy tany an-toerana dia namoaka fanambarana io omaly io ny avy eo anivon’ilay vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona (CNIDH) fa ilaina hafainganina ny fandinihana ity raharaha ity

 

. Araka ny voalazan’ny andininy faha-21 ao anatin’ny lalàna laharana 2014-007, hoy ny fanambaran’izy ireo, dia azon’ity vaomiera ity soa aman-tsara ny manadihady malalaka izay rehetra mifandraika amin’izay lafiny zo fototra maha olona izay. Manoloana ny lalàmpanorenana misy sy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ary ny fehezan-dalàna famaizana misy ary dia nanambara ny CNIDH fa takian’izy ireo ny fanajana ny zon’ireo voampanga. Tsy tokony hitamatamana ihany koa, hoy hatrany izy ireo, ny fandinihana ny raharaha. Takian’ny CNIDH ny fanajana ny zon’ireo notanana am-ponja vonjimaika ary atsahatra ny karazana herisetra ara-nofo sy ara-tsaina. Ny 16 oktobra lasa teo moa no nanatitra ny taratasy fitarainana teny amin’ny CNIDH ny fikambanana roa dia ny “Vona Fitiavan-tanindrazana” sy ny “Vahoakan’i Soamahamanina”


Faralahimatoa  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT