Mponin’i Soamahamanina dimy lahy no mbola voatana am-ponja, taorian’ny nisamboran’ny mpitandro ny filaminana azy ireo ny 29
septambra 2016 noho izy ireo nandray anjara tamin’ny hetsika niarahan’ny mponina tao an-tanàna nitakiana ny fanafahana ireo mpiandraikitry ny fikambanana roa, Vona Fitiavan-Tanindrazana voagadra sy ny fialan’ny orinasa sinoa Jiuxing Mines SARL. Nahazo fahafahana vonjimaika tamin’io raharaha io moa Ratsiriniaina Augustin fa mbola voatana am-ponja ao Antanimora hatramin’izao kosa Robson Pierre sy Andrianony Tsihoarana mpitarika ny Vona Fitiavan-tanindrazana miampy an’i Andriaendrikiniarivo Fenohasina, Andriarajoniaina Tona Guillaume ary Ranaivoarivelo Augustin. Sahiran-tsaina sy mitaitaina mafy ny mponina eny an-toerana fa hatramin’izao tsy mbola misy daty voatondro na ny hanaovana famotorana na ny tena fitsaràna, tsy misy ihany koa fanazavana nomena. Miray feo amin’ny mponina ao Soamahamanina sy ny olona manohana azy erantany ankehitriny ny Collectif TANY mitaky ny fanafahana tsy misy hatakandro an’ireo mponin’i Soamahamanina dimy dahy mbola any am-ponja ireo satria “tsy namono olona izy ireo”. Mitaky ny fanajana ny zon’ireo olompirenena enina hahazo fitsaràna ara-drariny sy tsy mitanila ihany koa ny fikambanana ary mitaky ny fampijanonana ny famoretana rehetra ny hetsiky ny mponina sy ny fanomezana fahafaham-po ny fitakian’ny mponina maro an’isa ao an-toerana. Noho ity raharaha ity, dia mikasa ny hanao hetsika ny mponina eny Soamahamanina amin’ny alakamisy 27 oktobra 2016.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.