Raha tsiahivina ny tantara, dia voalaza fa resaka fanomezana sazy ny polisy iray voapanga ho nampanofa ny basiny tamina andian-jiolahy,
ka namoahan’ny fitsarana managadra azy 5 taona no niantombohan’ny raharaha, ary nitarika hatrany amin’ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara ny 9 desambra 2011. Tsy voahaja ny fepetra amin'ny fitsarana ireo olona voapanga raha ny fanambaran'ny fampanoavana omaly, ka izay no anton’izao fanemorana ny fitsarana ho amin’ny fotoana mbola tsy fantatra izao. Tsy feno ny fepetra satria tsy nisy afatsy "Commissaire centrale" iray avy any Toliara ihany no tonga teny amin’ny fitsarana Anosy raha toa ka 39 ireo polisy voarohirohy, ka voatery namoaka didy saravina ny mpitsara. Nanazava ihany koa ny mpisolovava ireo voapanga, Willy Razafinjatovo, fa tokony ho nisy fotoana 8 andro nomena ireo olona enjehina raha eto Antananarivo izy ireo, ary 15 andro raha toa ka lavitra, mba hahafahany manomana ny fiarovan-tenany. Tsiahivina fa efa niteraka savorovoro tany Toliara ny fitondrana ireo voarohirohy hotsaraina aty Antananarivo, ka olona an-jatony no nanao sakan-dàlana tany amin’ny làlam-pirenena faha-7 tao Ankoranga 8 km miala an’I Toliara renivohitra, saingy nalefan’ireo mpanakan-dàlana ny fiara rehefa tsy nahita ireo polisy voarohirohy izy ireo. Nisy mihitsy ny antsoavo nataon’ireo ray aman-dreny sy fianakavian’ireo polisy mba tsy hamaly ny fampiantsoana azy ho aty an-drenivohitra. Tetsy an-kilany anefa dia nisy ny fampitam-baovao nivoaka avy tamin’ny minisiteran’ny filaminana anatiny, fa vonona amin’ny fiatrehana ity fitsarana ity ny polisim-pirenena. Ahiana hiteraka gidragidra lalina eo amin’ny fitsarana sy ny polisim-pirenena ity raharaha ity satria efa nampiaka-peo ny Sandikan’ny mpitsara (SMM) amin’ny hamelana malalaka ny fitsarana amin’ny fanatanterahana ny asany. Ny somary olana ihany koa anefa dia sady mpitory no mpitsara ny fitsarana satria olon’izy ireo no lasibatra tamin’ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.