Niveri-maina fanindroany avy any Antsiranana tsy afaka nihaona na dia iray segaondra monja tamin'ny filoha Marc Ravalomanana, ireo mpisolovavany roalahy teratany malagasy dia Me Désiré Randrianarivelo sy Me Hasina Andriamadison
Efa hatramin’ny faran’ny herinandro izy ireo no tonga tany Antsiranana, rehefa nomena alalana hahazo hihaona amin’ny olona arovan’izy ireo. Niara-dia tamin’izy ireo koa ilay taratany afrikana tatsimo, anisan’ny mpisolovava ny filoha Ravalomanana, Brian Currin. Akory anefa ny hagagana nony tonga tany Antsiranana izy ireo fa ilay mpivolovava teratany vahiny ihany no navela nifampiresaka tamin’i Marc Ravalomanana tao amin’ny «Amirauté» toerana igiazan’ny fanjakana ity filoha teo aloha ity, tsy ampy ora iray akory. Nosakanana tsy hiditra kosa ireo mpisolovava roalahy teratany malagasy, tsy afaka nanatanteraka an-kalalahana ny asan’izy ireo. Omaly izy roalahy ireto no tafaverina teto an-drenivohitra, raha efa ny alatsinainy teo ilay teratany vahiny.
Tany tan-dalàna
Efa nidina tany an-toerana ireto mpisolovava roalahy ireto tamin’ny 3 novambra 2014, rehefa nahazo fampilazana avy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny avy amin’ny prezidansa fa hanomboka ny famotorana an’Atoa Marc Ravalomanana. Nametraka fepetra anefa ity farany fa tsy maintsy atrehin’ny mpisolovavany ny famotorana azy. Narirarira anefa ireto mpisolovava ireto nony tonga tany Antsiranana. Tsy nahazo nihaona tamin’ny olona arovany akory. Niala nenina nangataka «permis de communiquer» na fahazoan-dalana tany amin’ny Fitsarana izy ireo mba hahazo hiresaka mivantana amin’ny filoha Marc Ravalomanana saingy nilaza ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Antsiranana tamin’izay fa «tsy mahefa» amin’ity raharaha ity. Taorian’izay dia ny solontena maharitry ny Vondrona Afrikanina, Rtoa Hawa Ahmed Youssouf, ny iraky ny Troika SADC notarihin’ny minisitra afrikanina tatsimo miasahana ny filaminam-panjakana David Malhobo, ary ity mpisolovava afrikana tatsimo, Brian Currin ity no nomen’ny fanjakana alalana hihaona nivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Ny sisa tsy nasiana hasiny. Ny an’ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Manandafy Rakotonirina aza moa fangatahana napetraka tamin’ny 04 novambra 2014, hatramin’izao tsy nisy valiny. F’angaha samihafa ny mpisolovava malagasy sy ny mpisolovava vazaha ? Mazava anefa ny voalazan’ny lalàna 97-036 tamin’ny 30 oktobra 1997, momba ny zon’ny fiarovana mandritra ny famotorana savaranonando. Mahagaga ny fahanginan’ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava (Bâtonnier) manoloana izao trangan-javatra izao. Voizina hatrany anefa fa hoe tany tan-dalàna i Madagasikara.
Légende:Me Desiré Randrianarivelo sy Me Hasina Andriamadison mpisolovava an’i Marc Ravalomanana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.