Actualités

Raharaha Mbola Rajaonah Nosokafana ilay “Coffre” nogiazana


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Omaly alarobia 28 novambra no nosokafana teo anoloan’ny solontenan’ny BIANCO sy ny tompon-trano, Mbola Rajaonah ilay « coffre » izay nohidin’ny mpanao fanadihadiana nandritra ny fisavana ny tranon’ity mpandraharaha ity teny Ambohimahitsy, herinandro lasa izay.

 

 

 

 Vola 7 tapitrisa ariary sy firavaka no tao anatin’ilay « coffre », ary izay ihany. Voaporofo izao fa tsy nisy ifandraisany amin’ny famotorana natao azy teny amin’ny BIANCO ny zavatra hita tao. « Tsy manana n’inon’inona afenina na itsoahana ny olona arovanay », hoy Eric Rafidison, mpisolovava an’i Mbola Rajaonah, namaly ny tsaho sy resabe tetsy sy teroa nilaza fa manafina zavatra maloto izy. Mazava tsara ny resaka izao, ary mbola vonona izahay hamaly ny fiantsoana hafa, hoy ny mpisolovava.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT