Nanaitra ny mpanara-baovao maro teto amin’ny tany sy ny firenena ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena mikasika ny raharaha nanaraha-maso ny ombin’Atoa Mara Niarisy, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Ankazoabo atsimo.
Ny fiarovan’atoa Rakotomamonjy Jean Max ny solombavambahoak’Ankazoabo atsimo dia niainga avy tamin’ny andininy faha-73 ao amin’ny lalàmpanorenana izay milaza fa tsy azo samborina ny solombavambahoaka raha tsy nahazoana alalana avy amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena na tratra ambodiomby. Etsy an-kilany, ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana avy etsy amin’ny Toby Ratsimandrava dia nanindry fa nahazoana alalana tamin’ny lehiben’ny fampanoavana tany an-toerana ny fisavana ny trano sy ny taratasin’ombin’Atoa Mara Niarisy. Nanamafy ity jeneraly eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity fa nanaraka ny fepetra rehetra takian’ny lalàna ny nisavana ny taratasin’ireo izay nilaza ho tompon’ny omby tao am-balan’ny solombavambahoaka ary azo porofoina. Misafotofoto ny raharaha satria ny Antenimieram-pirenena sarotiny amin’ny olony ary ny zandary mailo amin’ny asany. Ho an’iza ny tena hampiharana ny lalàna ? Tsy nisy antony manokana ve matoa nampidirin’ny Fampanoavana tany an-toerana tao anatin’ny lisitry ny olona hosavaina trano ny solombavambahoaka Mara Niarisy ? Raha ny zava-misy dia nahitana omby tsy ara-dalàna tokoa tao am-balan’ny solombavambahoaka, araka ny tatitry ny zandary, ka nahatonga ny fanadihadiana. Sao dia ny lalàna ary no tokony hasiam-panavaozana ? Hanano sarotra hatrany mantsy ny fanatontosana ny fanadihadiana rehefa solombavambahoaka no voakasiky ny raharaha. Misy amin’izy ireo anefa no tena be afera maloto saingy arovan’ny lalàna.
Ra -bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.