Actualités

Raharaha Mamisoa Mbola norahonan’ny mpitandro filaminana ireo namany


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Nanamafy ny naha famonoana niniana natao tamin’ny vadiny Rtoa Rakotohasimbola Hanitriniaina Patricia, vady navelan’Itompokolahy Mamisoa Daniel, ilay maty noho ny daroka nataon’ny GSIS azy tany

Toamasina raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teto Antsirabe, toerana nitondrana ny razana ny harivan’ny talata 06 Jjanoary lasa teo. Daroka sy vono tanteraka no natao ny vadiko ary nahafaty azy, hoy izy. Nohamafisiny fa nanodidina ny tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any raha vao tapaka ny jiro no nahatongavan’ny Emmo-Sécurité nanenjika ireo olona nitangorona ka nahatratrarana an’i Mamisoa ary nahatongavan’ny GSIS naka azy teo am-pelatanan’ny Emmo-sécurité. Nialoha ny nampiakarana azy teo ambony fiara anefa dia nitangoronan’ireo zandarin’ny GSIS nodarohana ranamana ary nasaina niakatra teo ambony fiara nony avy eo ary mbola nodidinina zandary marobe teo ambony fiara izay manamafy fa tsy afa-nitsambikina izany izy. Nohamafisiny ihany fa mbola niresaka tsara ny vadiny rehefa niakatra ny fiaran’ny zandary nitondrana azy ary tazan’izy ireo fa nobobohana ranon-javatra tamin’ny tavoahangy “Eau vive” ny vadiny. Raha ny fiheveran’ireo fianakaviana azy dia mbola nodarohana mafy tany ambadika tany ranamana vao naterina tany amin’ny hopitaly satria tamin’ny 23h50 ny ora voasoratra tao amin’ny rejisitry ny hopitaly nanateran’ny zandary azy ary mety mbola saika hotsaboina ihany koa izy satria mbola tavela teo amin’ny tanany havanana ny diam-panjaitra nampidirana “serum” taminy. Tonga tao Antsirabe ny razana ary nalevina omaly alarobia teny amin’ny fasan-drazany teny Atsongo andrefana. Nanamafy Rtoa Patricia fa tompon’antoka tanteraka tamin’ny nahafatesan’ny vadiny ny mpitandro filaminana n’inona n’inona ambara. Tsy manan-jo ny hamono olona ny mpitandro filaminana na dia jiolahy tratra ambodiomby aza ary tsy meloka ny vadiny satria tsy nisy akory fanadihadiana natao taminy na teny anivon’ny zandary na ny fitsarana. Nisy moa ny fanararaotana natao tamin’ny maty, izay tsy fantatra intsony izay nanao izany satria dia kilaoty kely sy th-shirt sisa teny an-kodiny fa tsy hita avokoa ny finday sy ny patalohany ary ny kirarony teny amin’ny tranom-paty nakana ny razana. Ankoatra izay dia re fa mbola norahonan’ireo mpitandro filaminana ihany koa ireo namana akaiky an’i Mamisoa amin’izao fotoana ary nampiomanin’ireo zandary fa mbola ho avy ny anjarany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT