Actualités

Raharaha kolikoly tao amin` ny ENMG Misy minisitra teo aloha voarohirohy


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Niakatra fampanoavana ny zoma lasa teo teny amin`ny Pole Anti-Corruption (PAC) ny raharaha fifaninana hidirana ao amin`ny sekoly ambony fanofanana mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG).

 


 
Olona telo no voarohirohy ho tompon`antoka amin` ity raharaha ity: ny Minisitry ny fitsarana teo aloha, ny tale jeneralin` ny ENMG teo aloha ary mpiara-miasa amin` izy ireo no iray farany. Herintaona aty aoriana vao nanokatra ny fanadihadiana nataony teny anivon` ny fitsarana miady amin`ny kolikoly ny BIANCO momba ny fandorana antontan-taratasy teo anivon` ny sekoly ambony ENMG. Ho an` ilay minisitra manokana dia ny Fitsarana ambony na Haute cour de Justice (HCJ) no mandray an-tanana ny raharaha. Raha tsiahivina, ny 8 martsa 2018 no may nisy nandoro tao amin`ny foibe toeran` ny ENMG ireo antontan-taratasim-panadianana izay nokendrena ho atao porofo tamin` ny fanadihadiana nataon` ny BIANCO. Ity fanadinam-panajakana ity moa dia nofoanana noho ny fisian` ny fitarainana maro  amin`ny fisian` ny kolikoly. Saropady ny tontolon’ny fitsarana, izay efa malaza amin’ny resaka kolikoly koa anefa, miandry ny ho tohin’ity raharaha ity ny rehetra satria maro no efa nitaraina momba io kolikoly any anaty fitsarana io; ary mazava tsara izao fa vao mianatra kay izany ny mpitsara sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana dia mety efa misy manao kolikoly ka tsy mahagaga raha manohy izay izy ireo rehefa am-perinasa.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT