Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny sabotsy 4 mey lasa teo ny loholona Berthin Andriamihaingo. Voasaringotra amina raharaha fanodinkodinana volabe manodidina ny 618 137 053,72 Ariary niaraka tamina olona maromaro.
Tsenam-baro-panjakana tsy mazava mifandraika tamin’ny fividianana fitaovana fampangatsiahana tao amin’ny sampandraharaha mikasika ny resaka vaksiny na ny DPEV (Direction de Programmation Elargie de Vaccination) izy io. Tetikasa novatsian’ny GAVI na « Global Alliance for Vaccines and Immunization » vola. Nanaovan’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) fanadihadiana izy ireo ny 19 aprily, ary nahazo fahafahana vonjimaika saingy narahi-maso ara-pitsarana ary tsy nahazo niala teto Antananarivo. Tsy nanaiky mora izany ny GAVI fa nanohitra ilay didy savaranonando. Nisy didy famonjana navoakan’ny Fampanoavan’ny PAC ny zoma teo, ka nahatonga ny fisamborana. Ny Senatera avy eto Analamanga Andriamihaingo Berthin, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamana teo aloha, ny Tale ara-bola tao amin’ny sampandraharaha iray ary kandida solombavambahoaka avy any Amoron’i Mania any ny iray, tompon’andraikitra misahana ny tsenan'asam-panjakana ny iray, ary Talen’ny vaksiny teo anivon’ny minisitera ireo. Tsenan’asa tsy ara-dalàna no anenjehana io loholona io ao anatin’ny raharaha, ka raha ny fanampim-baovao dia voalaza fa ny tsenan’asa tamin’ny voalohany dia ara-dalàna. Mbola nisy fandraisana volabe faharoa indray tato aoriana tsy nisy dosie sy taratasy mazava mahakasika an’io tsenan’asa izay azon’ny orinasany io, raha ny fanazavana vonjimaika. Toa mifameno amin’ny voalazan’Atoa Jean Louis Andriamifidy Tale jeneralin’ny Bianco 21 febroary 2018 nilazany fa nisy fitarainana nataona olona tsy mitonona anarana mikasika ny fanodinkodinana tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mahakasika vaksiny. Araka ny taratasy voarain’izy ireo, dia 600 000 ny vaksiny no nolazaina fa maty na “périmé”, izany hoe tsy azo hampiasaina intsony, mba hahafahana manodinkodina ny vola entina hanaparitahana izany fanafody izany. Zaza Malagasy 600 000 tokony hahazo vaksiny izany no tsy nahazo noho ny fanodinkodinana izay natao, hoy hatrany ny lehiben’ny Bianco tamin’izany fotoana.
Marihina fa loholona avy amin’ny antoko HVM, iray tamin’ireo 21 notendren’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina Atoa Berthin Andriamihaingo no namadika palitao niara-dia tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoha. Fitadiavana fialokalofana sy fiarovan-tena ve no antony ? Ahoana ny momba ireo depiote teo na olona ambony teo aloha malaza amina afera toy ny resaka boaderozy izay lasa nisarizoro sy nanohana ny filoha ankehitriny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.