Actualités

Raharaha kidnapping Mpitsara iray nosamborina tany Toamasina


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Toy ny vara-datsaka teo amin’ny tontolon’ny fitsarana malagasy no nandrenesana, omaly hariva, fa nisy mpitsara lahy iray nosamborin’ny polisin’ny « Brigade criminelle » avy aty Antananarivo, tany Toamasina.

 


Rabehaja Jackie Ernest, « substitut général » ao amin’ny Fitsarana ambony ao Toamasina ity nosamborina ity ary fanomezan-dalana avy amin’ny minisitry ny fitsarana sy ny fitsarana tampony no voalaza fa nentina nanatanteraka izany.

Tao an-tranony, ao Boulevard Joffre, Toamasina ity mpitsara ity no nosamborin’ny polisy, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny telo ora, ary nentina avy hatrany niakatra aty Antananarivo hatao famotorana. Araka ny loharanom-baovao dia nifandray an-telefaonina tamin’i Lejo, iray tamin’ireo atidoha naka an-keriny an’i Annie sy Arnaud tamin’ny 23 novambra 2015 ity mpitsara ity. I Lejo, izay anisan’ireo jiolahy namoahan’ny Fitsarana taratasy fikarohana manokana ary voasambotra tany Farafangana tamin’ny 11 janoary 2016 teo.

Manohitra ny fanambarana nataon’ny SMM (Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara) nanizingizina fa tsy misy mpitsara tafiditra tamin’iny raharaha fakana an-keriny iny, izany ity fisamborana ny mpitsara Jackie tany Toamasina ity, izay antenain’ny maro fa tsy hijanona eo fa hipaka hatrany amin’ny tena « gros poisson » tao anatin’iny raharaha fakana an-keriny zaza tsy ampy taona iny.

Photo fb

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT