Nahemotra amin’ny 18 febroary izao indray ny raharaham-pitsarana nitorian’ny depioten’Antalaha Laisoa Jean Pierre na Jaovato ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaoanrimampianina.
Ny alatsinainy teo izy ity no efa niakatra fitsarana saingy izao nahemotra izao. Raha ny fitantaran’ity solombavambahoaka ity dia mitaky ny hamerenan-dRajaonarimampianina ny fiarany Toyota V8 tsy laitram-bala izay nampiasain’ity filoha teo aloha ity taorian’ny fifidianana 2013 ny tenany. Tsy nomena fa nampindramina ilay fiara. Rehefa nitaky ny hamerenana azy anefa i Laisoa Jean Pierre ny taona 2016, raha araka ny fitantarany dia tsy noraharahan’ingahy filoha. Nisy ny vadintany efa nalefa haka ny fiara saingy tsy nomen’ingahy filoha koa dia izao nentina eny amin’ny fitsarana izao ny raharaha. Ankoatra ny famerenana aminy ny fiarany dia mitaky onitra ihany koa ny depiote Jaovato. Izy moa dia anisan’ireo mpanao politika mafana fo niara-dia tamin’ny HVM teo aloha saingy nanomboka niova lasy rehefa tonga ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo dia izao izy mifanolana amin’ny filoha mpanorina ny HVM izao .
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.