Actualités

Raharaha Ihosy Niaro ilay mpitsara voatonontonona anarana ny SMM


  • Alarobia 14 Desambra 2016

Tsy mbola vita hatramin’ny omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny biraon’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara vaovao sy ny teo aloha.

 

Niezaka nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety ihany Ramatoa Faniry Ernaivo, filohan’ity sendika ity vaovao omaly tetsy amin’ny ENMG Tsaralalana. Nambarany tamin’izany fa tsy mbola manam-baovao mihoatra momba ny minisitra teo aloha Augustin Andriamananoro izy ireo fa mitovy amin’ny olon-drehetra ihany. Ny tompon’andraikitra efa napetraky ny minisiteran’ny Fitsarana any Miarinarivo no tokony hanome vaovao mifandraika amin’izay, hoy hatrany izy. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ilay raharaha any Ihosy izay nahavoatonona anarana mpitsara iray. Tsy mety, hoy Ramatoa Faniry Ernaivo ny fanononana anaran’olona tahaka izany satria noho ny asa hiandraiketany no nanatanterahany ilay asa fa tsy amin’ny maha izy azy. Notsindriany ihany koa fa saro-piaro amin’ny hasina sy ny fahaleovantenan’ny  Fitsarana izy ireo ary vonona hijoro hatrany ho amin’izany. Hiara-kiasa amin’ny holafitry ny mpanao gazety ihany koa izy ireo manomboka izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT