Actualités

Raharaha Elikoptera Amin’ny 16 septambra ny fitsarana


  • Talata 03 Septambra 2019

Nalefa teny amin’ny fampanoavana avy hatrany ny raharaha hanenjehana ny mpanao gazety Nadia Raonimanalina,

 

 

 Talen’ny famoahan’ny gazety Le Quotidien, Arphine Helisoa ggazety Valosoa, Mahery 24h Mada, Patrick Andriamisa Talen’ny Kolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra taorian’ny fanakatonan’ny polisy misahana ny « cybercriminalité » ny fanadihadiana omaly. Fanalam-baraka ny tafika Malagasy sy ny fitondram-panjakana no voalaza fa vesatra anenjehana azy ireo manoloana ny famoaham-baovao mikasika ilay elikoptera niditra tao amin’ny kianjan’i Mahamasina ny 30 aogositra teo. Nandritra ny 5 ora teo no niandrasana ny fidiran’izy ireo tao amin’ny « substitut du procureur » satria efa tamin’ny 10 ora sy sasany atoandro tany ary tamin’ny 4 ora  latsaka fahefany hariva vao voaray. Rehefa nivoaka avy tao, tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka fahefany hariva, dia fantatra fa samy nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy 4 mianadahy fa mbola miandry ny fitsarana amin’ny 16 septambra ho avy izao. Naneho firaisankina manoloana ny fanenjehana raharaha mahazo azy ireo ny mpanao gazety maro, mpiasan’ny kaominina, mpanao politika, fianakaviana, olon-tsotra,... Nahazo fahafahana vonjimaika aloha izany izy 4 mianadahy mianaka ireo saingy tsy azo ambara ho afa-bela amin’ny fanenjehan’ny mpitondra fanjakana hatreto satria mbola handalo fitsarana. Nisy ihany ny fampihorohoroana sy fandemena ara-tsaina fototry ny fanenjahana mpanao gazety tamin’ilay raharaha angidimby tetsy Mahamasina, rehefa tena halalinina. Maro ny dingana azo narahina vao tonga tamin’ny resaka fampanantsoana tany amin’ny polisim-pirenena sy ny fampiakarana fampanoavana. Raha ny lalàna amin’ny asa fanaovan-gazety rahateo, azon’ireo voatohintohina ny mampanao “démenti” na fanitsiana noho ny mety ho fahadisoan’ny vaovao. Toa mazava ny hafatra tiana hampitaina, dia ny mba hitandremana amin’ny fanakianana fitondrana raha tsy te horirariraina sy henjehina eny amin’ny polisy sy ny fitsarana

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT