Tokony hisy ny “motivation parallèle”, hoy ny depiote Razaha Tondraha
Mbola anisan’ireo depiote avy any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy mikasika ny amin’ireo
dahalo niova fo ny depioten’i Toliara I, Razaha Tondraha nisolo toerana ny depiote Maharante Jean de Dieu niofo ho minisitra, ka nanambara fa mahavelom-bolo ny fikarakarana an’ireto dahalo ireto ary efa mahita ry zareo ankehitriny fa mihena ny asa ratsy any Amboasary Atsimo any. Efa manomboka resy lahatra koa ny any Miandrivazo any ankehitriny. Aminay kosa anefa, hoy ity depiote ity, dia tokony hisy ny “motivation parallèle” avy amin’ny fanjakana fa rehefa voakarakara ireo dahalo sy ny fianakaviany dia tokony mba hahazo ny anjarany koa ireo niharam-boina tamin’ny nafitsok’izy ireo taloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.