Miankin-doha amin’ny fahefana mpanatanteraka ny rafitra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny mpandrindra ireo hetsika iadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny Rohy Ramarosaona Faraniaina tamin’ny fivahinianany tao amin’ny onjampeo iray.
Volam-panjakana mantsy, ohatra, no ampiasain’ny Bianco (Bureau Indépendant Anti-Corruption). Nampiakarina 40% rahateo io tetibola io tamin’ity taona 2017 ity fa tsy ampy iasan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly. Nampiova ny zava-nisy teo anivon’ny fitsarana anefa ny raharaha kolikoly mahavoarohirohy ny mpandraharaha «Claudine Razaimamonjy», araka ny fanamarihany. Tranga hitondra ainga vao amin’ny fanajan’ny fianakaviamben’ny mpitsara ny asa sy ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny tontolon’ny fitsarana, hoy ity mpikambana ao amin’ny firaisamoni-pirenena ity. Fanamby hatrehina manaraka kosa ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Goavana amin’izany ny fiketrehan’ ny fiarahamonim-pirenena ny volavolan-dalàna mamaritra ny vola hampiasain’ny antoko politika. Baraingo ho an’ny rehetra moa hatreto ilay volabe 43 tapitrisa dolara nampiasain’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidinana 2013, hoy ny mpitarika ny OPTA (Olom-Pirenena Tompon’Andraikitra).
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.