Fantatry ny fitondrana ankehitriny, hoy ny filohan’ny fikambanana politika Asandratro ny tanindrazako, Andrianina Rajoharison, fa ahiana tsy ho lany intsony izy ireo amin’ny fifidianana.
Be loatra ny tsy fanajana ny lalàna sy ny fiandrianam-pirenena nasehon’izao fitondrana izao. Anisan’ireny, ohatra, ny fanjavonan’ny raharaha Antsakabary sy ny sinema nitranga tamin’ny raharaha Razaimamonjy. Ho an’ny Asandratro ny tanindrazako dia sinema no ataon’izao fitondrana izao. Ny 26 novambra teo no efa nosakanana tsy hivoaka ny fari-dranomasin’ny nosy ity mpandraharaha ikoizana ity ary tokony ho tamin’izay fotoana izay izy no nosamborina fa tsy aty amin’ny manakaiky fifidianana aty. Tsy mahay na inona na inona ve ny mpitsabontsika ka na resaka fiakarana sy fidinana tosidra aza dia ilana famindrana marary any Maorisy ? Azo lazaina ho fanambaniana ny rafi-pitsaboantsika ny tranga toy ireny. Mamorona sinema sy resabe isarihana ny sain’ny olona tsy hifantoka amin’ny tsy fihetezan’ny raharaham-pirenana sisa ny fitondrana ankehitriny, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.