Tsy mazava intsony izay hiafaran’ny raharaha Claudine Razaimamonjy fa toa nafana am-boalohany ihany.
Nihevitra ny rehetra fa tsy ho afa-bela ity ramatoa ity. Toy ny sinema anefa sisa no miseho ankehitriny. Sesilany ny fanambaran’ny ankolafin’ny mpitsara fa tsy hanaiky hobaikoana ary tsy hilefitra amin’ny fampanjakana ny tsimatimanota. Tsikaritra ho nihena anefa ny herin’izay tsindry avy amin’ny mpitsara izay noho ny antony tsy fantatra. Miely kosa ny resaka sy ny vaovao fa misy amin’ireo mpitsara no tratry ny vela-pandrik’io mpandraharaha io sy ny manodidina azy tamin’ny alalan’ny fandraviravizana volabe ka roboka ary izay no mampitarazoka ny raharaha. Efa niaraha-naheno ny fanambaran’ny minisitry ny fitsarana, izay nitaky ny hamoahana an’i Claudine Razaimamonjy ny 5 aprily, fony mbola notazonina teny amin’ny Bianco izy, izay niharihary ny endrika fitongilanana sy fiarovana azy. Mbola misy olobe hafa ao amin’ny fitsarana ihany koa voalaza fa efa nifanaraka amin’ny hampanginana ny raharaha fa sinema fotsiny sisa no atao. Na ireo mpitarika sendika marobe niseho tampoka tamin’ity raharaha ity aza dia voalaza fa efa novidiana vola ny ankamaroany ka nangina.
Lalaovina ny raharaha
Hery lehibe eto amin’ny firenena ny fitsarana ary atahoran’ny fanjakana ny tanjany. Raha tena mihenjana ity rafitra ity ary manaporofo ny maha mahaleotena marina azy dia efa ela no teny Antanimora Razaimamonjy Claudine, hoy ny mpanara-baovao. Matoa manjavozavo ny resaka ary tsy misy fanapahan-kevitra hentitra hampiharana ilay didy fampidirana am-ponja vonjimaika (MD), dia misy zavatra tsy mazava ao, ary mety efa misy vondron-kery matanjaka ao anatin’ny fitsarana manao tsindry amin’ny hampanginana ny raharaha. Azo atao tsara ny manao “contre visite” momba ny resaka toe-pahasalaman’ity ramatoa ity ary ny dokoteran’ny fonjan’ Antanimora no manao azy io amin’ny maha olona tokony hotanana am-ponja azy, saingy tsy izay no miseho. Ny teo anivon’ny mpandraharahan’ny fonja tamin’ny alalan’ny filohan’ny sendikan’izy ireo, César Diderot Realy, dia efa nilaza ny 14 aprily fa ireo olona ampidirina am-ponja vonjimaika na marary na salama tsara dia tsy maintsy mandalo amin'ny tompon’andraikitra voalohan'ny fonja mialoha ny hamoahana azy. Ny dokoteran'ny fonja ihany no afaka manamarina ny toe-pahasalaman'ny olona tazonina. Tsy nisy anefa izany fa nodinganina, izay endrika fandikan-dalàna hafa mihitsy saingy toa tsy afa-manoatra amin’ny fampiharana lalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.