Na inona na inona zava-misy eto amin’ny firenena, dia mbola i Hery Rajaonarimampianina no mitantana an’i Madagasikara na dia maro aza ireo kiana mivaivay mihatra aminy, indrindra fa taorian’ny raharaha Claudine Razaimamonjy.
Mpanolotsainy, praiminisitra, minisitra,…eny hatramin’ny tenany aza voatonona ao anatin’ny raharaha kolikoly. Ny manahirana anefa dia minia mangina ny filoham-pirenena, izay tokony hitondra fanazavana mazava manoloana izao zava-misy izao, indrindra fa amin’ity raharaha Claudine Razaimamonjy ity. Tokony hijoro amin’ny maha filoham-pirenena azy ny tenany, ka hitondra fanazavana, eny fa na hanadio tena aza satria ny vavany miteny sy mitondra fanazavana no ilain’ny vahoaka, raha mbola mihevitra ny tenany ho filoham-pirenena ihany koa izy. Efa niteny sy namoaka ny heviny rahateo ny ankolafin-kery maro sy ny sampandraharaha samihafa eto amin’ny firenena manoloana iny raharaha Claudine Razaimamonjy iny, toy ny sendikan’ny mpitsara, ny mpandraharahan’ny fonja, ny polisy mpiambina ny sisin-tany, ny antoko Tiako I Madagasikara, ny antoko Malagasy Miara-miainga, hatramin’ireo masoivoho vahiny. Mbola manjavozavo ny raharaha ary anisan’ny fanalahidin’izany ny filoham-pirenena, ka tsy tokony hatao tompon-trano mihono ny Malagasy, izay miantso am-pahendrena ny filoha hitondra fanazavana sy hanao fanambarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.