Actualités

Raharaha Betroka Atao fanadihadiana ny Adjida Casmir


  • Alatsinainy 28 Septambra 2015

Nanaovan’ny “section de recherché” avy amin’ny zandary avy any Toliara fanadihadiana ny faran’ny herinandro teo,

 

 izany hoe ny zoma sy ny sabotsy lasa teo ny adjida Casmir izay zanak’olona iray tampo amin’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas solombavambahoakan’i Betroka. Ny momba ny raharaha nahafaty ny komanda Falihery tao Betroka sy ny manodidina ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana any an-toerana no tena malaza izao ka inoana fa tsy maintsy mahakasika izany no antony anaovana fanadihadiana ny adjida Casmir. Tsy io adjidà io irery no voakasik’izao fanadihadiana ataon’ny section de recherche ny zandary avy any Toliara izao fa efa nosavaina ihany koa ny trano fonenan’olona iray izay tena efa nalaza tamin’ny afera na basy sy bala ao Tanakopania ao Betroka an-tampon-tanàna ao. Anisan’ny arahin’ny mpitandro ny filaminana maso akaiky koa ankehitriny ny miaramila iray efa misotro ronono izay mpiara-miasa akaiky amin’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas. Marihina fa ity miaramila misotro ronono ity dia avy amin’ny zana-poko Zafindravala ihany koa.

Mandeha be ihany koa ny resaka fa misy te hanisika vola sahady ireo mpanao fanadihadiana any an-toerana saingy efa manara-maso akaiky ny zava-drehetra miaraka amin’ny komandin’ny kompania vonjy maika ny Komanda Job, izay nandany ny fahazazany tao Betroka ka mahalala ny antsipirian’ny zava-misy ao an-toerana miaraka amin’ireo olobe ao an-tanàna izay efa vonona ihany koa hijoro amin’ny fahamarinana rehetra izay fantany ka dia ho hita eo ny vokatry ny fanadihadiana.

Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT