Actualités

Raharaha Antsakabary Voaporofo ny habibiana nataon’ireo polisy…


  • Talata 30 Mey 2017

Manao antso avo sy manontany ny fivoaran’ny fanadihadiana izay nataon’ny fitondram-panjakana tao anatin’ny 3 volana momba ny “raharaha Antsakabary” ny Vovonana Mampiray tarihin’i Arlette Ramaroson, ka nandefa taratasy any amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ary ireo sampan-draharaham-panjakana voakasika.

Araka ny fanadihadiana sy ny tatitra mari-pototra tany an-toerana dia voaporofo ny habibiana tsy roa aman-tany nataon’ireo polisy miisa 42 nalefan’ny fitondram-panjakana hisambotra ireo olona namono ireo polisy miisa roa tratry ny « fitsaram-bahoaka », hoy ny Vovonana Mampiray.  Nitondra ny lisitry ny olona hosamborina ireo polisy kanefa raha vao nanao tifi-danitra sy nanamparitaka entona mandatsa-dranomaso dia vaky nandositra tany anaty ala ny vata-dehilahy sasany. Tsy hita ireo tao anatin’ny lisitra hosamborina ka niroso tamin’ny habibianana sy ny valifaty ireo polisy ireo araka ny « hika » izay nataon’izy ireo  niaraka tamin’ny lehibeny nibaiko azy teo amin’ny « Pont Sofia » raha ho any Antsakabary. Nisy ny fampijaliana natao tamin’ny mponina sivily tsy manan-tsiny toy ny fidarohana tamin’ny vody basy… Nasain’ny polisy nodoran’ireo vatan-dehilahy ireo ny trano fonenan’izy ireo avy fa tsy nanaiky hatramin’ny farany izy ireo na dia niharan’ny daroka vody basy sy kapoka mandrivorivo aza. Rehefa tsy nanaiky handoro ny tranony ny Fokonolona dia niroso tamin’ny fandorona ireo trano fonenana sy ny tahirim-bokatra ary ny Fiangonana iray ny polisy ka “nisy olona iray izay diso fantatry ny fokonolona” no nanome baiko sy nanondro ny trano dorana isam-pokontany. Nolavin’ilay polisy ny fangatahana sy ny fitalahoana nataon’ilay tovolahy iray mba tsy handorana ny tranon’ilay vavy antitra 80 taona, ka nangataka ny hamoahana azy izy fa daroka no setrin’izany ary tsy navelany navoaka ilay vavy antitra fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fandorana ny trano ilay polisy. Efa fantatra ny anarana sy ny gradin’io polisy nahavita heloka bevava io.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT