Actualités

Raharaha Anjozorobe Niravona ny disadisa


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

Niravona ny disadisa nisy teo amin’ny fianakavian’i Mandignisoa ilay tovolahy 29 taona tsy hita faty tany Anjozorobe sy i Mathieu zanaky ny filoham-pirenena

 

. Nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny hotely Mon Goûter tetsy Andrefan’Ambohijanahary i Jean Ermond, rahalahin’i Mandignisoa sy ny dadany ka nanambara ampahibemaso fa vita ny ady ary efa niravona ny disadisa. Tsy tokony hisy olona afaka hivoy an’iny resaka iny intsony satria izahay tompon-kavana no efa milaza fa efa vita ny raharaha ka tompon’andraikitra amin’izay ambarany ny olona mbola te hiresadresaka iny raharaha iny, hoy ny rain’i Mandignisoa izay nanambara fa efa ao anatin’ny fikarakarana ny fitadiavana ny taolambalon’ny zanany. Tsy nety nanome fanazavana hafa ankoatra ny fahavitan’ny fampihavanana moa ireto fianakavian’i Mandignisoa ireto. Tsiliantsofina ihany tamin’ireo fianakaviana hafa nanotrona no nahafantarana fa nisy ny fananganana tsangambato sy karazana fifandaminana ara-pomban-drazana natao ka nahatongavana tamin’izao firavonan’ny olana izao. Nahabe adihevitra ihany ity raharaha ity saingy ho fanajana ny safidin’ny fianakaviana izay niezaka nitady fihavanana dia naleon’ny mpanao gazety nangina. Araka ny heno ihany koa dia tsy misy intsony hatramin’ilay fitoriana nolazaina fa napetraka tany amin’ny fitsarana Anjozorobe.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT