Actualités

Raharaha Andriamanampisoa Gegine Marie Marthe Afaka madiodio ilay tovolahy nanadala azy fony fahavelony


  • Alarobia 12 Novambra 2014

Tontosa afak’omaly alatsinainy antoandro tao amin’ny efitrano voalohany teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny fitsarana ilay tovolahy nisakaiza tamin’itompokovavy

Andriamanampisoa Gegine Marie Marthe nodimandry ny  alahady 26 oktobra lasa teo. Tovolahy voalazan’ny fitoriana nataon’ny ray aman-dreniny fa fototry ny famoizam-po nahazo ity tovovavy tsy ampy taona ity ka nitarika an’io fahafatesany io.  Nahagaga hoy ny rainy, Andriamanampisoa Gégé Bosco, fa natao resaka “flagrant délit” no nitsarana ity zatovolahy ity ary nafahan’ny fitsarana madiodio izy na dia niaiky aza fa efa niara-natory in-4 tamin-dRatompokovavy 16 taona fony fahavelony. Ity raharaha ity irery no hany fitsarana tonga dia namoahana didy teo no ho eo tamin’ireo marobe niaraka notsaraina taminy, hoy ny fanamarihana azo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT