Amin’izao fotoana izao, tanterahina any Johannesbourg Afrika Atsimo ary tsy hifarana raha tsy ny 5 oktobra ho avy izao ny fivoriambe andiany faha-17 eo anivon’ny CITES izay Sampana iraisam-pirenena amin’ny fiarovana ireo zavaboary mitady ho
lany tamingana. Anisan’ny lahadinika amin’izany ny resaka fanondranana sy fandripahana hazo sarobidy eto Madagasikara. Tsy mbola nirotsaka ny sazy ho an’ny Malagasy manoloana ny resaka fanondranana an-tsokosoko izay tena mahazo laka saingy misy kosa sy fepetra hentitra takiana amin’ny fanjakana Malagasy. Nirotsaka ny didin’ny CITES amin’ny hanomezan’ny fanjakana ny lalàna sy ny fitsipika mazava ary ny fanapahan-kevitra raisina ho an’ireo voasaringotra amin’ny resaka fanondranana andramena. Raha tsiahivina dia anisan’ny nalaza ny raharaha bolabolana andramena tany Singapour sy ny raharaha Bekasy izay navelan’ny fanjakana tamin’izao. Hatramin’ny faran’ity taona ity no tsy maintsy hamitan’i Madagasikara ireo fepetra takiana ary aorian’izay dia ho avy ny ankivy na « embargo » hatao amin’i Madagasikara amin’ny tsy hahafahany mivarotra sy manondrana hazo sarobidy any ivelany raha tsy tanteraka ny fepetra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.