Actualités

Raharaha Andohatapenaka Tokony hojerena ny tombontsoam-bahoaka


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Tsy fotoanan’ny fihantsiana sy ny fifandrafiana intsony izao, hoy ny Vondron’Olon-Tsotra mikasika ilay raharaha Andohatapenaka mampifanolana ny fanjakana sy ny kaominina Antananarivo renivohitra.

 

 Efa tena sahirana sy miaina ao anaty fahantrana lalim-paka mantsy ny vahoaka Malagasy ka tokony handinika tsara ny fitondram-panjakana mialoha ny fandraisana fanapahan-kevitra goavana mahakasika ny fiainan’ny mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Zava-dehibe amin’ny fanampiana ny sosialim-bahoaka ny tolo-tanana fananganana orinasa fanodinan-kena miaraka amin’ny fambolena sy fiompiana avy amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, araka ny fahitan’ny VOT azy. Hiteraka asa ho an’ireo izay tsy manana ny fijoroan’io fotodrafitrasa lehibe eny an-toerana io no sady hanatsara ny kalitaon-tsakafon’ny Malagasy izay anjakan’ireo karazan-kanina tsizarizary miaraka amin’ny valan’aretina samihafa. Vahaolana haroson’ity fikambanana ity ny fifanatonana sy fifampiresahana eo amin’ny roa tonta. Miantso ny fitondram-panjakana tarihan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ihany koa ireo mpikambana tarihan’i Sarah Zoé hamakafaka lalina ny mahatsara sy ny lafiny ratsy amin’ity tetikasa fanampiana ho fanarenana ny toekarena Malagasy avy amin’ny mpandraharaha be traikefa eo amin’ny lafiny fanodinana sakafo toy ny Tiko anisan’ny orinasa reharehan’i Madagasikara teo amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta afrikanina.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT