Hafanafana ao Toamasina anio alatsinainy 24 oktobra 2016.
Hiakatra fitsarana ireo olona nosamborin’ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fifandonana tao Ampasimbe Manantsatrana, ny 14 oktobra 2016 andro saika hametrahana amin’ny toerany ny Ben’ny tanàna Jacob Honoré, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Nisy 46 izy ireo, saingy namela heloka ary nisintona fitoriana ny Ben’ny tanàna Jacob Honoré mivady taorian’ny fifampiresahan’ireo voarohirohy tamin’izy ireo, ka olona miisa 21 no voakasik’izany. 25 lahy sisa no hatolotra ny Fampanoavana anio. Tokony ho tamin’ny zoma 21 oktobra no nanolorana azy ireo, saingy noho ny fangatahan’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina dia anio alatsinainy vao ho raikitra izany. Etsy an-kilany anefa dia milaza ny hanao rodobe ho avy ao Toamasina hiaro ny naman’izy ireo nosamborina ireo mpanohitra ny Ben’ny tanàna Jacob Honoré, ka ireo Tangalamena any an-toerana no hitarika izany. Marihina fa nisy olona valo naratra mafy voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny andro saika hametrahana tamin’ny toerany ny Ben’ny tanàna Jacob Honoré io. Maro ireo naratra vokatry ny fifampitorahana, lasibatra hatramin’ny zandary. Nisy fiara simba ary may ny Fiangonana Rhema. Eo am-pelatanan’ny Fitsarana ny raharaha ankehitriny. Hamaritra ny hoavin’ny fiarahamonina ao Ampasimbe Manantsatrana ny didy horaisiny, na ho savaranonando fotsiny ihany aza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.