Actualités

Raharaha Ambohitrimanjaka Niditra an-tsehatra ny Loholona


  • Talata 22 Oktobra 2019

Nanatanteraka fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka omaly alatsinainy 21 oktobra 2019 ireo Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izay nahitana ny Loholona Ramalason Olga,

Ramahavalisoa Hanitra, Rakotoarisoa Bakolinirainy,, Rakotozafy Martin, Randriamalalarison Xavier, Ramparison Luc ary Randriamanatsoa Jafetra izay Loholona avy amin’iny Faritra iny. Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona , dia nandray andraikitra izy ireo, nandeha nidina ifotony teny an-toerana, nijery sy namantatra izay tena zava-misy marina. Fidinana ifotony nifampiresahana sy nihainoana ny feon’ny Vahoakan’Ambohitrimanjaka. Nilaza Atoa Eric sonlotenan’ny vahoaka eny an-toerana nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsy manda io tetikasa Tana-masoandro io ny mponin’Ambohitrimanjaka fa mba mangataka ny hijeren‘ny fitondram-panjakana toerana hafa hanatanterana izany fotodrafitrasa izany. Nohamafisiny ihany koa fa Ambohitrimanjaka dia mpamatsy vary an’Antananarivo, ka mangataka izy ireo ny mba tsy hanotofana ny tanimbary. Manoloana izany, nanambara ny Loholona Rakotozafy Jean Martin fa ny fifampiresahana ihany no tena zava-dehibe, ahafahana mamaha olana, nampanantena ny hitondra ny hetahetan’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka eny amin’ny tompon’andraikitra voasahana amin’ny tetikasa ary koa nampanantena ny hampihaona ireto vahoaka ireto amin’ny governemanta.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT