Actualités

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mivadika amin`ny teny nomeny ny Fanjakana”


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Mitohy ny tolona. Niray hina sy niray fo amin` ny fanoherana hatramin` ny farany ny hanotorana ny tanimbariny ny mponina ao anaty kaominina efatra

 

voakasika tamin` ny tetikasa Tanà-Masoandro tetsy amin` ny kianja filalaovam-baolina tetsy Ambohitrimanjaka ny sabotsy lasa teo. Nisy ny tatitra momba ny fihaonana tamin` ny Antenimierandoholona sy ny solontenan` ny mponina voakasika amin`ny tetikasa. Naneho ny alehelony amin`ny tery vay manta ataon` ny fanjakana amin`ny fananganana ny “guichet unique” ny mponina any an-toerana. Tsy nanaja ny teny nomeny ny teo amin` ny fiadiadin` ny repoblika mikasika ny fihatoan` ny tetikasa Tanà-Masoandro. Tsy manaiky lembenena sy manohitra hatramin`ny farany ny mponina amin`ny fanotafana ny tanimbarin` izy ireo. Miato daholo ny asa rehetra mandrampahavita ny fifampiresahana saingy mahagaga dia telo andro taorian` izay natsangana ny “guichet unique” izay miresaka ny onitra omena an` ireo voakasika amin` ny Tana`-Masoandro. “Mariky ny tsy fanajàna ny teny nomen` ireo tale eo anivon` ny fiadiadin` ny Repoblika mikasika ny fiatonana ny tetikasa ny fananganana ny birao manokana misahana ny Tanà-Masoandro etsy Village Voara”, hoy ny CRAD-OI, fikambanana mpiaro ny zon` ny maha-olona. Nanamafy ihany koa i Randrianaivo Eric, solontenan` ny mponina Ambohitrimanjaka, fa tsy tokony hiroso amin` izany satria mbola nisy ny dingana natao teo anivon` ny Antenimierandoholona izay tapaka fa hisy taratasy alefa mivantana any amin` ny Filoham-pirenena. Tsy hanaikiy lembenana ny mponina eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina ka hanamafisana ny tolona dia hajoro ara-dalàna ny vondrombahoaka manohitra ny fanotofana ny tanimbary eny Ambohitrimanjaka. Dingana manaraka moa ny hamolavolana fitarainana ary hanomana fihaonana mivantana amin` ny filoham-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT