Actualités

Raharaha Ambohitrimanjaka “Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary”


  • Talata 22 Oktobra 2019

Voalaza fa mbola miady amin’ny fahafatesana ilay zandary teny Ambohitrimanjaka naratra izay tsaboina ao amin'ny Hjra.

 

 

 Tonga nitsidika teny amin’ny hopitaly ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay notarihan’ny Jeneraly Richard Ravalomanana, SEG sy ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka, komandin’ny zandarimaria sy ireo mpiara-miasa omaly maraina tamin’ny 8 ora maraina. Nomena ny “Prime de bravoure” sy ny fanondrotana galona manokana ilay zandary naratra ary hiantohan’ny fanjakana ny lany rehetra amin’ny fitsaboana azy. Ankoatr’ireo dia notolorana fankasitrahana ihany koa ireo zandary miisa 5 naratra niaraka tamin’ity tena voa mafy ity, ka notontosaina tetsy Betongolo ny fanolorana azy ireo izany tamin’ny 11 ora sy sasany. Notsindrian’ny Jeneraly sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria manokana fa tsy maintsy natao izao fizarana ny fankasitrahana izao ho an’ireo miasa mafy amin’ny fiarovana sy fandriampahalemana mba hitsinjovana sy hankaherezana ary hampitombo ny risi-po amin’ny asa hanirahana azy ireo.  Tsahivina hatrany moa fa noho ny fanamborana ireo mponina tany an-toerana no nampitroatra ireo vahoaka. Ireo farany izay notorohana fa naninmba zavatra. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana. Mahatsiaro tena fa voa mafy ireo mponina eny an-toerana very tany, ny fitondram-panjakana kosa miziriziry fa tsy maintsy tanterahina ny fampandrosoana.

Haja Nirina

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT