Diso daty ny taratasim-panjakana, toa namboamboarina haingana mba hilazana fa efa ela ny fanjakana no nampahafantatra ny hisian’ny tetikasa,
ka hisian’ny famotopotorana ara-pitondran-draharaha ny maha mety na tsia ny andraisana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na amin’ny alalan’ny fanesorana amin’ny tompony noho ny fanasoavam-bahoaka ny fizakana trano na tany noho ny fananganana ny Tana-masoandro. Diso ny daty ery ambany, izay ambara fa nivoaka ny 14 jona 2018, ary nosoniavin’ny minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo izay tsy minisitra velively tamin’ny taona 2018. Tsotra ny navalin’ny minisitry ny serasera tao amin’ny tambajotra facebook manoloana an’io fa “4 jona ny arrêté, manaraka azy ny fampahafantarana 14 jona. Mazava ho azy fa ny mpametraka daty no diso”. Tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina dia « malhonnêteté intelectuelle» no fiantsony ny tahaka ireny. Na ny tamin’ny teny Malagasy na ny tamin’ny teny Frantsay, dia samy daty diso avokoa. Manana ny sekretera manokany izy fa na izany aza ny minisitra mendrika dia tsy maintsy mamaky mialoha ny hanaovany sonia. Tsy lavitry ny fametrahana ny sonia rahateo ny daty. Tena tsy azo ekena eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana io, ary azo henjehina araka ny lalàna, raha ny fanehoan-kevitra nataon-dRajaofera Eugène, izay administrateur civil. Niparitaka ihany koa avy eo ny fanamarihana nataon’ny ben’ny tanànan’i Fiombonana eny Atsimondrano Randriamanantena Gabriel, izay nanao fanamarihana fa nisy tokoa peta-drindrina momba ny fakana ny hevitry ny vahoaka mahakasika ny tetikasa Tana-masoandro nanomboka ny 17 jona-17 jolay, nilaza fa 38 ny olona naneho hevitra momba izany. Tsy fantatra mazava na nanaiky ireo na nandà ary 38 monja ve hahasolotena ny vahoaka tompon’ny tany an’arivony ha ka mahatonga ny fanjakana hanao amboletra ? Manomboka tonga eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity resaka ity satria ny fahitalavitra TV5 monde, ohatra, dia efa namoaka fa tena mafy ny fanoherana azy io (Ce projet rencontre une forte opposition), ka mety ho tonga any Tribonaly Iraisam-pirenena (CPI) ity raharaha ity noho izy misy endrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Resy ny fanjakana raha jerena amin’ny tsy fanajana ny dingana rehetra tsy maintsy harahina, ary manomboka miharihary ny karazana petatoko samihafa, fa miantehitra amin’ny amboletra. Na ireo olona iraky ny fitondrana handresy lahatra aza indraindray, toa miteniteny foana. Ezahina hampidirana ambadika politika foana, mba hahafaha-manilika ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa. Mavesa-danja kokoa ny porofo hoentin’ny mpandinika sy mpahay lalàna ivelan’ny fanjakana maneho ny tsy fetezan’io tetikasa io hatao eny Ambohitrimanjaka na ara-tsiansa, ara-jeografia, ara-tontolo iainana,… saingy ny an’ny mpitondra dia ambadika politika no asisika !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.