Actualités

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Nanatontosa fotoam-pivavahana teo amin’ny kianjan’Anelitsara Ambohitrimanjaka ny sabotsy teo ireo mponin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka mba hangatahana ny tolo-kevitra avy amin’Andriamanitra hahafahan’izy ireo mijery ny tokony hanohizana ny tolona, raha ny fanazavan’ireo mpitari-tolona.

 

 Mikasika ny dingana ho amin’ny fifampidinihana, hoy ny mpitari-tolona, Njaka Andriantsoa, avy ao amin’ny fokontanin’Anosibe Zaivola, dia miandry ny fihaonana amin’ny filoham-pirenena sisa izy ireo. Tonga teny an-toerana ny fitondram-panjakana, raha ny nambarany hatrany, ary nilaza avy hatrany fa hanao ny fandinihana rehetra ilaina na “evaluation” amin’ny toerana sy hanala ireo mponina amin’ny toerana misy azy. Vokatr’izany, ny zoma teo, dia nisy raiamandreny iray ao amin’ity fokontany ity no nijanona tampoka ny fony ary namoy ny ainy, hoy hatrany ny voambara. Voizin’ny teknisianina fa tsy maintsy atao anatin’ireo tanimbary ny tetikasa. Matetika ireo heverina ho tompon’andraikitra mihitsy no manao voambolana mandrangitra. Tsy nisy resaka “guichet unique” izany tamin’ny fotoana nandalovan’ny fitondram-panjakana tety an-toerana, hoy kosa ny fanazavan’ny mpitari-tolona, Eric Randrianaivo. Ny vahoaka marobe tonga eto an-toerana amin’izao andro sabotsy izao dia porofo fa tsy nisy nahazo na naheno resaka momba izany fanonerana izany. sarin’olona nalaina avy ao an-damosina no nalaina, hoy hatrany izy, ary tsy mponin’Ambohitrimanjaka no nilaza ho manaiky ny tetikasa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT