Raikitra ny savorovoron’ireo mpivaro-kena sy ny mpamono omby omaly alakamisy maraina teo tao amin’ny Abattoir Mahajanga ary nanapahan’izy ireo hevitra fa tsy hamono omby ny tontolo andron’ny alakamisy io tao Mahajanga vokatry tsy faneken’ireo zandary amin’ny tokony hamonoana ireo omby miisa 15 izay avy any Betsako
. Raha ny fantatra dia efatra amin’ireo omby ireo no manana taratasy ara-dalàna fa ny sisa tsy azo amidy sy mivezivezy an-tanàn-dehibe. Tsy nanaiky anefa ireo mpivaro-kena sy ny mpamono omby fa mila manomo ireo omby miisa 15 ireo. Raikitra ny fifandirana ka saika niafara tamin’ny fidinana an-dalambe. 15 omby ny filana isan’andro ao Mahajanga. Nanapa-kevitra anefa ireo mpitaky fa tsy hamatsy omby manerana ny tanànan’i Mahajanga ny andron’ny omaly mandrapa-pisian’ny marimaritra iraisana. Tsikaritr’ireo mpivarotra sy ny mpividy omby ireo amin’ny fikarakarana ny taratasin’omby fa misy mivarotra ny taratasy FIB an-tsokosoko ireo mpitsabo biby sy ny “délégue”. Nanamafy hatrany anefa izy ireo fa vonona hanaja ny lalàna mifehy ny omby eto Madagasikara. Tsy nisy zavatra tapaka anefa nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraikitra tamin’ny famahana ny olana ity fa mbola hisy ny fivoriana ataon’izy ireo miaraka amin’ireo mpamono sy mpivaro-kena ao Mahajanga ireto mba tsy hiverenan’ny tranga tahak’izao niseho izao. Nandritra ny sakoroka dia tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana handamina ny raharaha saingy nilamina ihany izany tamin’ny ora farany. Andrasana izay mety ho tohin’ty raharaha ity satria dia efa mitaraina sahady ireo mpanjifa madinika noho ny tsy fisian’ny henan’omby ao Mahajanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.