Actualités

Raharaha abatoara etsy Ankadindratombo Nentin’ny Hafari eny anivon’ny Bianco


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Nentin’ny fikambanana HAFARI Malagasy tarihin’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina eny anivon’ny fikambanana mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly na ny Bianco ilay raharaha abatoara etsy Ankadindratombo

Rehefa nandinika mantsy izy ireo, araka ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly dia tsapa fa nisy  ny fandikan-dalàna  nataon’ny tompon’andraikitra  mikasika azy ity toy ny tsy fisian’ny tolo-bidy  izay tokony ho nisokatra ho an’ny rehetra  ka nanomezana mora foana ny tany mba hofain’ny Sinoa mandritra ny 99 taona, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Alasora. Vonona ny hiady hatramin’ny farany ny fikambanana HAFARI Malagasy ho fiarovana ny zon’ny malagasy tompon’ny tany. Ireto farany rahateo izay sahy nanome 250 tapitrisa Ar  mba hividianana ilay abatoara raha 150 tapitrisa Ar ny an’ireo Sinoa. Manantena ny handraisan’ny bianco ity raharaha ity an-tsakany sy an-davany ny fikambanana HAFARI Malagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT