Actualités

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Somary nanaitra ny nahita mpitandro filaminana niatrana am-bava basy toy ireny handrava sy hanakana hetsi-bahoaka ireny tetsy amin’ny Toby Ampahibe izay misy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy dia fahita matetika teny an-toerana io.

 

 

Rehefa natao ny fanadihadiana, dia re fa nisy tsy faly tamin’ilay resa-bola 65 000Ar solom-bodiakoho avy amin’ny filoham-pirenena ihany koa. Mbola nisy tsy nahazo ireo miaramila, raha ny loharanom-baovao nisafidy ny tsy hitonona anarana. Nahiana ny karazana hetsika sy fikomiana, ka izay no mety nandraisana io fepetra io. Andrasana ny mety ho fanampim-panazavana na zavatra hafa mihitsy no niseho na tena saika hisy tokoa ny fikomiana satria tena saro-pady ity resaka ity. Tena niteraka savorovoro ity raharaha solom-bodiakoho ity, saingy tsy misy ny fanazavana mafonja sy famahana olana fa toa tsy taitra ny fanjakana. Ny filoha no efa antsoin’ny mpanao fitakiana hitondra fanazavana sy vahaolana, saingy mbola mijanona ho resaky ny moana sy ny marenina ny raharaha hatreto. Efa tsy halohalika intsony ny ranom-bary fa mety efa any an-tenda, raha efa tonga any amin’ny manam-basy ity raharaha ity. Asa anefa na tena mety amin’ny fanjakana ny fisiana toe-javatra mikorontana ohatr’izao mba hilazana fa nosembantsembanina izy amin’ny fampandrosoana ka dia io fa tazanim-potsiny io ny olana mitarika fikorontanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT