Actualités

Rafanomezantsoa Jean Nirina Tsy matahotra na iza na iza ny Hafari Malagasy


  • Talata 08 Martsa 2016

Tany mora andairan’ny honohono ny eto amintsika, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina,

 

raha nitarika ny fivoriambe fanaon’ity fikambanana fiarahamonim-pirerena ity teny Anosizato izy omaly ary nampiantso ny solontenan’ireo mpanao fanatanjahantena toy ny  rugby sy Kick Boxing nanatrika sy ny mpampianatra teny anglisy, ny filohan’ny mponina eny La Réunion kely ary ireo mpitondra fivavahana mpiara-miasa aminy nanotrona izany. Nialoha ny fandinihana ny raharahan-tokantranon’izy ireo dia namaly ampahibemaso ireo fanasoketana azy sy fanalambaraka  azy ity filohan’ny Hafari ity. Nambarany ary fa miendrika  tetikady politika ny fanakianana ataon’ny olona sasany aminy sy ny fikambanana tarihany. Efa nanapotehana mpitondra tamin’ny fotoanandrony, ohatra, ny resa-tany eny Ankaditoho Anosimahavelona ka tadiavina hampiadiana anay tsy mahafantatra izay tany misy eny an-toerana akory amin’ireo fokonolona tompon’ny tany. Efa nilaza koa ny orinasa Filatex fa tsy mbola naka tany teny amin’ity toerana ity. Faharoa, lazaina fa nivarotra ny tany filalaovam-baolina etsy amin’ny filalaovana rugby ny Hafari nefa efa tamin’ny taona 1999 no efa lafo tamin’izany Rtoa Rafanantenantsoa Raholiarivelo ity tany ity nefa ny Hafari Malagasy dia 10 taona taorian’io daty io vao nitsangana ara-panjakana. “Certificat de situation juridique” nangatahanay hanamarinana ny toe-javatra misy marina no nanondro anay hoe nivarotra ilay tany. Averinay, ho ren-tany ren-danitra hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy hisy afaka hanafoana ny Hafari Malagasy ary tsy matahotra n’iza n’iza izy eo amin’ny fanatanterahana ny asa soa hiantsorohany. Raha hanao “enquête parlementaire” ny solombavambahoaka dia ny boaderôzy hanaovana izany fa tsy ny Hafari sy ny asa soa ataony. Farany dia ambarako, hoy ity filohan’ny Hafari Malagasy ity fa tsy hampiditra ao an-tokantranoko ny alahelom-bahoaka hamelomana ny ankohonako aho.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT