Actualités

Radio-Tele MBS Hiverina eny Anosipatrana


  • Sabotsy 12 Martsa 2016

Mazava ny resaka. Hiainga eny Anosipatrana nisy ny foibeny hatrizay ny haino aman-jery Malagasy Broadcasting System na MBS.

 

Nodinihina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny Tanànan'Antananarivo ny mikasika ny toerana nisy ny MBS teo Anosipatrana. Nambaran'ny  filohan'ny mpanolotsaina Monisipaly, Andriambahoaka Faustin fa tsy foana ny « contrat de bail » na fifanarahana fampanofana tany eny Anosipatrana nifanaovan’ny tanànan'Antananarivo sy ny MBS fa mbola mitohy”. Ny taona 2000 no nanomboka io fifanarahana fanofana ny tany teo amin’ny roa tonta io.

Nisaotra ny Kaominina Antananarivo Atoa Ralaivaohita Joel, tompon'andraikitra ao amin'ny MBS amin'ny fahatsapana ny zo izay tokony hananan’ny MBS. Tsy tonga dia hanokatra ny MBS izahay, hoy Ralaivaohita Joel fa mbola hisy fanadihadiana sy famakafakana ny eny Anosipatrana sy ny manodidina, ohatra amin'izany ny fijerena ny "pylône", sns…

Na izany aza dia nambarany fa vonona ara-pitaovana ny MBS, hoy ity mpitanana eo anivon’ity orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Mbola eo am-pelatanan’ny MBS rahateo koa, hoy izy, ny "licence d'explotation", mbola tsy nofoanan'ny Minisitera. Misy anefa ny sakantsakana ataon’ny Fanjakana amin’ny fahazoan’ity haino amanjery ity misokatra malalaka taorian’ireny raharaha 2009 ireny.

Nanamarika anefa Atoa Ralaivaohita Joel fa betsaka ary maro ireo televiziona sy radio nomen’ny Fanjakana alalana hisokatra ankehitriny, koa tokony ho afaka misokatra daholo ny rehetra, tsy misy tombo sy hala.

Nametraka fitoriana teo anivon'ny "Conseil d'Etat" moa ny MBS tamin’ny jona tamin’ny taon-dasa mikasika ny tsy fahazoan-dalana misokatra nefa ny «licence d'exploitation» tsy foana. Hatramin'izao, noho ny antony tsy fantatra mazava dia tsy mbola nisy ny fitsarana ny raharaha.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT