Nanamarika ity herinandro hivalona ity ny andrana teknikan’ireo haino aman-jery izay efa tokony hisokatra saingy tsy avelan’ny fanjakana noho ny antony maro samihafa toy ny resaka firehan-kevitra politika
. Maro amin’ireo haino aman-jery no mahafeno ny fepetra ara-teknika sy ara-panjakana ka tokony afaka ny hisokatra ara-dalàna saingy noho ny tahotry ny fanjakana sy ny fironan-kevitra politika ananan’ny tompon’ireny onjam-peo ireny dia sakanana sy hanaovana kapa ranjo hatrany izany. Isan’izany ny onjam-peo MBS 95.4 FM an’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay efa ela no tokony hisokatra saingy tratry ny antsonjain’ny mpitondra HVM. Manoloana ny andrana teknika ataon’ireo onjam-peo dia efa nilaza ny ao amin’ny minisiteran’ny serasera fa tsy nisy na iray tamin’ireo manao andrana teknika aza no nahazo alalana hanao izany ary nambara fa tsy nisy nanaraka ny fepetra rehetra tokony harahina izy ireo. Mody aroso foana ny resaka lalàna saingy ny tena marina dia mihorohoro ny fanjakana kanefa vao andrana teknika no misy. Mbola hitohy hatrany ny sakana sy ny fanenjehana ireo onjam-peo tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny fanjakana toy izay efa atao amin’ny fametrahana ilay lalàna mifehy ny serasera mifono fangejana.Antony iray mampikatso ny famatsiam-bola sy tsy hahatongavan’ny mpiara-miasa avy any ivelany eto Madagasikara anefa izany fanohintohinana ny fahalalahan’ny serasera izany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.