Actualités

RADIO MADAGASIKARA


  • Zoma 15 Aprily 2016

Nodimandry omaly 14 Aprily i Eléonore Rasolofomanana, mpanentana fandaharana tao amin’ny Radio Madagasikara, fantatra tamin’ny Angano sy ny fandaharana Fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ary ny fifandraisan’ny Ray aman-dreny sy ny zanaka.

 

FRANKOFONIA 2016
Hitondra ny fahaiza-manaony ny Amerikanina, amin'ny fametrahana fitaovana maoderna fanaraha-maso sy fitiliana ny fifamezivezen'ny olona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.Nisy ny delegasionina Amerikanina nihaona tamin’ny filoham-pirenena omaly ka nanazava ny « Personal Identification Secure Comparison and Evaluation System » izay efa ampiasaina any amina firenena 21 ankehitriny.

MPANDRAHARAHA NY FONJA

Tsy nahafa-po ny dinika nataon’ny solontenan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’ny fiadidiana ny repoblika ka dia mbola nitohy ihany ny fitokonana omaly. Hisy ny fioriambe amin’ny faran’ity herinandro ity hanapahan-kevitra ny amin’ny mety  ho tohin’ny hetsika.

FANDRIANA
Hotanterahina anio ao Fandriana ny “Vaky volagna” hanambarana ofisialy fa ny Distrikan’i Fandriana no hampiantrano ny andiany faha-13 amin’ny Volambetohaka, izay hatao ny 18-21 aogositra 2016.

MAROVOAY
Tovovavy mpivarotra nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, notapatapahana ny ratsam-batany. Misy ny olona efa hadihadiana eny amin'ny zandary.

MORONDAVA
Nihemotra tamin’ny fitokonana saika hataony ny mpanjifan’ny Jirama. Re izao fa nandefasana gropy roa any Morondava hanalefahana ny olan’ny delestazy.

ANTSIRABE
Harahi-maso ireo mpitondra moto tsy manao aroloha, sy ny taksibe mitondra olona mitsangana, ho fitandroana ny ain'ny mpandeha, raha ny nambaran'ny Polisim-pirenena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT