Hanaovana andrana voalohany miainga avy ao Amparemahitsy, Kaominina Belobaka, ao Mahajanga II ny onjampeo amerikanina «Madagascar World Voice» na MWV eny manomboka ny volana martsa 2016.
Io no vaovao nampitain’i Kevin Chambers, filoha Lefitry ny injeniera avy amin’ny “World Christian Broadcasting”, misahana ny MWV any Etazonia, tamin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar.
Ojam-peo mamokatra fandaharana ara-pilazantsara kristianina sy ara-pahasalamana ho an’ny manerantany ny MWV araka ny fanazavan’i Kevin Chambers. Mbola fanangonana fitaovana hiasana no nataony teto Madagasikara nanomboka ny taona 2004 niorenany. Ary natao ho foibe fampitan’onjam-peo miainga avy any Alaska, izay misy ny foibeny any Etazonia makany amin’ireo firenena tatsinanana sy Azia fotsiny izy hatreto.
Iraika ambin’ny folo ora isan’andro ny fandehanan’ny fandaharany izay ampitainy amin’ny fiteny sinoa, rosiana, espaniola, arabo ary anglisy. Miankina amin’ny hasin’ora iraisam-pirenena ny ora hiasany. Mampiasa olona 22 eo ho eo ny MWV, ahitana injeniera telo sy teknisianina isan-karazany.
Tombony ho an’i Boeny ny fisian’ny foibe fampitan’onjam-peo MWV amin’ny fandraisana anjara tamin’ny fampandrosoana ataony tamin’ny alalan’ny fanatsarana ara-tsosialy sy ny maha olona ho an’ireo mponina eny amin’ny manodidina tato anatin’ny taona vitsivitsy izay. Eo ihany koa ny fandraisany anjara amin’ny ady atao amin’ny doro tanety.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.