Actualités

Rabokona Fanahy ratsy mampiorohoro sady manolana ?


  • Alarobia 26 Aprily 2017

Taorian’ny ambalavelona, ny satanika izay samy asan’ny maizina avokoa dia tonga eto amintsika indray Rabokona raha ny feo miely. Efa ho iray volana izao no nalaza ho nampahory vehivavy maro tany Arivonimamo sy Ankazobe tany izy sy ny forongony.

 

 Milatsaka avy any an-tafon-trano izy io izay miendrika kadradraka be amin’ny voalohany ary lasa lehilahy matanjaka be avy eo, raha ny fitantarana pastera iray avy any Ankazobe. Menabe ny mason-dRabokona, mampatahotra ihany koa ny vavany ary tsy hita ny tapany ambany. Avy hatrany dia manolana vehivavy izy io raha tsy misy lehilahy matanjaka ao an-trano ary tsy miala raha tsy mahazo izay tadiaviny. Mamono vehivavy bevohoka ihany koa izy.  Renim-pianakaviana iray no fantatra fa efa lasibatra ary namoy ny ainy tany amin’ny faritra Itasy tany. Araka ny fanazavan’io pastera io hatrany dia karazana fanahy ratsy ity Rabokona ity ka izay tokantrano tsy ampy vavaka dia ataony mahita faisana avokoa. Miantso ny rehetra mba samy hivavaka ity mpanompon’Andriamanitra ity hahafahana mandresy an-dRabokona sy ny forongony. Tsiahivina fa ny anarana Jesosy ihany no tena atahoran-dRabokona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT