Tsy vaovao amin’ny rehetra intsony ny fahenoana asan-dahalo sy fanafihan-jiolahy etsy sy eroa, saingy tsy mba mahataitra ny fitondram-panjakana izany.
Natsipatsipaky ny balan’ny dahalo indray mantsy ny fokonolona tany amin’ny kaominina Fihaonana sy Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava. Ny alahady teo, niara-notafihin’ny dahalo an-jatony ireo kaominina ireo ka nisy ny fifandonana mahery vaika satria niezaka niaro ireo ombiny hatrany amin’ny 400 ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Toy ny atody miady amam-bato anefa izy ireo noho ireo tsy mataho-tody izay efa hary fitaovana, ka fokonolona 20 sy mpitandro filaminana 3 no indray lavon’ny bala, ary miaramila iray naratra mafy. Hatramin’ny omaly dia ny 4 tamin’ireo fokonolona lavo ihany no efa hita ny razana. Ankoatra ireo omby manodidina ny 400, dia lasan’ny dahalo ihany koa ny basy “kalack” miisa 3 sy ny fitoeram-bala miisa 7. Nisy ny fanarahan-dia ka nony tonga tany amin’ny kaominina iray antsoina hoe Soaloka, any amin’ny distrikan’i Miandrivazo dia nilaza ny mponina tao fa tsy misy omby lasa izany any amin’ny faritra misy azy ireo, norahonana tamin’ny tifitra variraraka ireo miaramila sy fokonolona mpanara-dia mba hiverin-dalana. Ahiana ho fieren’ny dahalo mihitsy ity kaominina ity sy kaominina vitsivitsy manodidina azy. Ny mahagaga dia ny fananan’ireo olona fitaovam-piadiana mahery vaika, izay porofon’ny fisian’ny olona mpamatsy azy ireo na ny dahalo ambony latabatra. Mangataka ny hampiasana angidim-by mba hahafahana manara-dia sy manenjika ireo dahalo ny miaramila sy ny fokonolona. Tsy tafiditra amin’ny toerana fieren’ny dahalo mihitsy raha mbola dia an-tongotra, ary mbola betsaka no ho ripaka raha mbola izay no fomba fiady.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.