Actualités

Quik Parts -Andravohangy Mivarotra kojakojana fiara “Ford”


  • Sabotsy 08 Oktobra 2016

Sambany no nisokatra eto amintsika ny toeram-pivarotana kojakojana fiarakodia “Ford” sy ireo kojakojana fiarakodia Japoney Etsy Andravoahangy akaikin’ny Look’s no ahitana azy io,

 Quick Parts voalohany eto Madagasikara izay natao indrindra hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpampiasa fiarakodia rehetra.Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ford Motor Company (FMC) sy ny Materauto no angady nananana sy vy nahitana izany. Omaly no notokanana tamim-pomba ôfisialy ity magazay ity nahitana an’Andriamatoa Marlow Lloyd an-daniny, tompon’andraikitry  ny fivarotana kojakoja fiarakodia Ford aty Afrika atsimo sy Razafindrakoto Patrick, tale ara-barotra eo anivon’ny orinasa Materauto an-kilany. Nomarihin’izy ireo manokana moa fa ahitana ireo kojakojana fiarakodia rehetra misy eto amintsika ao amin’ity Quick Parts iray vaovao ity ary misy hatrany ny fihenam-bidy amin’ny alalan’ny vente flash isan-kerinandro.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT