Tonga nitsidika ny filohan’ny vaomiera sosialy, koltoraly ary serasera eo anivon’ny Antenimierandoholona Rakotozafy Jean Martin ny Talen’ny serasera avy amin’ny PSI Madagasikara (Population Service International – Madagascar) Rtoa Nathalie Randriamanga omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosy.
Nifantoka tamin’ny fangatahana fiaraha-miasa sy fampahafantarana ny tetik’asa vaovao IMPACT izay ho vatsian’ny USAID ny lahadiniky ny roa tonta. Haharitra dimy taona io tetikasa io ary hanomboka ny 12 Aprily 2019 izao izany ka izany tetikasa izany dia miompana tanteraka amin’ny resaka fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ady amin’ny tazo moka ary ny lafiny fanabeazana aizana. Ny tanjon’ny tetikasa dia ny mba ahazoan’ny vahoaka Malagasy fanafody araka ny tokony ho izy. Nohararaotin’ ireo loholona ny fihaonana nanazavany ny andraikitry ny Antenimierandoholona amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Andrim-panjakana. Nanoro hevitra ny tenany ny mba hisian’ny fiaraha-miasan’ny PSI Madagasikara amin’ireo Kaominina. Firariana, hoy ny Senatera Ramparison Luc, raha mba misy tetik’asa ho an’ny zokiolona ataon’ny PSI-Madagasikara. Nambaran’ ny Talen’ny sampandrarahan’ny serasera eo anivon’ny PSI moa fa any amin’ny distrika sy Kaominina any amin’ny faritra amoron-tsiraka no hifantohana sy hampiarana ny tetikasa ka ireo fanafody dia aparitaka manerana ny fivarotam-panafody ambogadiny any amin’ny distrika (PHA GE DIS) sy fivarotam-panafody eny anivon’ny Kaominina (Pha Ge Com). Vonona ny hiara-kiasa amin’ny PSI ihany koa moa ny Antenimierandoholona rehefa tonga ny fotoana ampiharana ny tetikasa IMPACT.
nosy
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.