Mitana hatrany ny sain’ny besinimaro ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny. Goavana amin’ireny ny tontolo politika izay mivoatra isan’andro. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana amin’ity anio ity ny Prince Rev.Dr. Ndriana Rabarioelina, Filohan’ny Fiombonamben’ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Manao fanambarana isan-taona ny Fiombonamben’ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara, inona no vontoatin’izy io tamin’ity taona 2014 ity ?
Prince Rev.Dr. Ndriana Rabarioelina (PRDNR) : Ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina (Eksodosy 19: 6), misy Rafi-piarahamonina vaovao, Lalàmpanorenana vaovao, manaja an’Andriamanitra Andriananahary, manaja ny Soatoavina sy ny Fahendrena Malagasy ary mankato an’i Jesoa Kristy, Lohan’ny Fiangonana, Lohan’ny Firenena, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo no vahaolana tokana avy amin’Andriamanitra hitondra Fitahiana ho an’i Madagasikara !
TT : Tsy hita taratra tao anatin’ny amin’ny fiarahamonina Malagasy mihitsy ve ireo zavatra rehetra notanisainao teo ireo ?
PRDNR : Nandritra ny 50 taona mahery (1960-2014) dia rafitra repoblikana, laika, demokratika, napetraky ny mpanjanatany no niainana teto. Ny vokany dia ireo mpitondra nifandimby sy ireo mpanao politika ary vahiny sasany niaraka tamin’izy ireo no lasa nanankarena tampoka. Fa ny 92%-n’ny Malagasy kosa ankehitriny dia lasa mahantra. Tsy azo ekena intsony izany !
TT : Ahoana indray no fomba hahantanteraka izany ?
PRDNR : Amin’ ny Fahamarinana satria ny fahamarinana no hamonjena ny firenena (lsaia 54). Aoka izay ny gaboraraka sy ny kolikoly ary ny fahalovana eo amin’ny fitantanana ny firenena, indrindra ny kolikoly avo lenta fomba fanaon’ireo mpitondra sy manampahefana nifandimby (Ohatra: 750 Tapitrisa Dolara USD na 1.500 Miliara Ariary no vola miodina amin’ ny kolikoly andramena. Ny fanondrànana antsokosoko ny volamena sy vatosoa. Ny halatra omby an’arivony nalefa any Sina. Ny famarotana tany sy ny fanomezana varoboba ny harem-pirenena ho an’ ny vahiny …). Hatsangana ny Orinasam-panjakana mitrandraka ny harena ankibon’ ny tany. Hovana haingana ny Lalàna ary ny 90%-n’ny tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany dia zaraina amin’ ny vahoaka Malagasy rehetra (fa tsy ho 2% intsony no hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana). Tsy azo ekena intsony ny fanjakazakan’ny vahiny. Havoaka ny Lalàna milaza mazava fa ny Malagasy tena tompontany rehetra no tompon’ny tany, ary tsy mahazo mividy na mivarotra na manofa tany eto Madagasikara ny vahiny.
TT : Eo amin’ny lafiny fitantanana, olona toy ny ahoana no ilaina mitondra ny firenena?
PRDNR : Tsy lany olomanga i Madagasikara ! Mila olona matahotra an’Andriamanitra, mandeha amin’ ny Fahamarinana, mahavita azy, tena tia tanindrazana (fa tsy mpivarotra tanindrazana), no tokony hapetraka amin’ny isan’ambaratonga amin’ny fitantanana ny firenena. Tokony hosoloina ny Antenimieram-pirenena ary atao ny fanovana ny governemanta satria tsy mahafa-po mihitsy ny asa vitan’izy ireo. Tsy mandroso mantsy ny firenena ary tena mijaly ny 92% ny vahoaka Malagasy
ankehitriny.
TT : Ny hevitry ny Fikambanana momba ny fampihavanam-pirenena?
PRDNR : Ny Fiombonamben’ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara (ahitana ireo foko 25) miaraka amin’ny FFKM no mitondra vahaolana haingana sy maharitra ivoahana amin’ny krizy, amin’ ny fanajana ny Tenin’Andriamanitra, ny soatoavina, ny fahendrena sy ny kolontsaina Malagasy ary manaja an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.
TT : Aiza ho aiza ny fanarenana ny Lapan’i Manjakamiadana?
PRDNR : Ny Lapan’i Manjakamiadana dia mariky ny fiandrianam-pirenena sy ny
fahaleovantena ary ny firaisam-pirenena. Toerana masina io. Antananarivo dia tanàna masina ary i Madagasikara dia Tany Masina. Tsy ny resaka vola loatra no olana fa ilay finiavana politika no tsy misy. Niezaka ny mpanjana-tany sy ny mpamadika tanindrazana manapotika ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ary mbola mitohy izany amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Porofon’izany ny fandoroana ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny fikasana vao haingana handoro ireo Rova hafa sy ny halatra taolam-paty manerana ny Nosy. Aminay dia misy ny atidoha mikotrika izany miainga avy any ivelany. Tsy tokony hanaiky izany ny Malagasy ka mila atambatra ny hery. Hatao ho laharam-pahamehana ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo misy ny Lapan’i Manjakamiadana,
TT : Teny farany avy amin’ny Fiombonamben’ny Zanakandriana sy Ampanjaka
eto Madagasikara ?
PRDNR : Antso Avo ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra (Ampanjaka rehetra, HCC, FFKM, Tafika, Fiarahamonina, Vondrona sy Fikambanana Malagasy rehetra …). Atambaro ny hery. Tonga ny fotoana hijoroan’ny tia tanindrazana rehetra mba hiaro an’i Madagasikara. Ny fampijoroana andrim-panjakana vaovao dia ny Antenimieran’ny Ampanjaka (lsaiah 32:1) manaja ny Tenin’Andriamanitra no dingana voalohany mialoha ny hijoroan’ ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona sy Firenena Masina. Io no vahaolana tokana avy amin’Andriamanitra hitondra Fitahiana ho an’ny firenena. Ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra no ahatonga ny firenena Malagasy ho voalohany fa tsy ho rambony intsony, ho ambony fa tsy ambany, ary hampindrana fa tsy hindrana (Deotoronomia 28:1-14).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.