Vao teraka ny zaza dia efa ilana fikolokoloana manokana ny fitaizana azy mba hahatonga azy ireny ho olom-banona.
Ankoatra ny traikefa efa ananan’ny tsiairay anefa dia ilaina hatrany ny manatevina izany ho tombontsoan’ny taranaka faramandimby. Mba ho fanampiana ireo ray aman-dreny ary dia hanome fiofanana ireo manan-janaka madinika vao teraka ka hatramin’ny telo taona ny Primababy. Ramamonjisoa Dina, mpampiofana ireo mpampianatra eny anivon’ny creche no hanome ny fiofanana maimaimpoana. Rahampitso sabotsy no hanatanterahana ny fanofanana eny amin’ny CC ESCA Antanimena manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva. Tanjona ny hanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fampivelarana ny zaza ara-batana sy ara-tsaina entina hanatsarana ny hoavin’izy ireny. Ao amin’ireo taona ireo rahateo no hametrahana ny fototra maha olona ny olona iray. Hozaraina amin’io andro io ihany koa moa ny loka ho an’ireo ankizy nandray anjara tamin’ny “concours photo” bébé prima 2016.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.