Actualités

Préscolaire- EPP Ambodin’Isotry Nahazo efitrano vaovao


  • Alakamisy 17 Novambra 2016

Nahazo efitrano vaovao hahafahany mivelatra ireo kilonga madinika préscolaire manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra etsy Ambodin’Isotry.

 

 Noravahana kilalao ny tokotaniny, nosoloina ny varavarana, nohavaozina tanteraka ny loko, nosoloina ho vaovao avokoa ny latabatra sy ny seza rehetra raha anisan’ny asa tena goavana ny nanamboarana ny tokotanin-tsekoly tsy hisy kitoatoa intsony fa mitovy tantana. Vokatry ny ezak’ireo mpianatra manohy fianarana eo anivon’ny sekoly ambony INSCAE izay manatanteraka ilay tetikasa “ comportement du manager” tamin’ny alalan’ny orinasa Vivo Energy no angady nananana sy vy nahitana izany. Fantatra nandritra ny lanonam-pitokanana omaly fa ankizy mpianatra manodidina 130 isa no hahazo tombontsoa amin’ity fahazoana prescolaire vaovao etsy amin’ny EPP Ambodin’Isotry ity izay marihina fa zanaky ny sahirana ara-pivelomana avokoa ny ankamaroany. Nomarihin-dRazakaboana Johanne, tompon’andraikitra iray eo anivon’ny orinasa Vivo Energy moa fa ankoatra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny aro loza amin’ny fifamoivoizana dia manao ezaka goavana amin’ny sehatry ny fanabeazana ihany koa izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT