Nanao antso avo amin’ny Masoivohon’ireo firenena eto Madagasikara sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny Malagasy mpiray tanindrazana ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, nandritra ny andro fisaonam-pirenena omaly, mba hifanome tanana hitondra fanampiana ho an’ireo
traboinan’ny rivodoza Chedza sy ny orambe mikija nitarika tondra-drano tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy, ary koa ho fanarenana haingana ny firenena, satria tokoa ny voin-kava-mahatratra. Nambarany fa mahatratra hatrany amin’ny zato lavitrisa mahery ny tomban’ireo filana rehetra ho amin’ny fanampiana sy ny fanarenana. Notsiahiviny fa nahatratra 68 ny aina nafoy, ana hetsiny maro ny tra-boina sy ireo voatery nifindra toerana ary maro ireo fotodrafitrasa simba sy rava toy ny sekoly, lalana, toeram-pitsaboana, fotodrafitrasa mahakasika ny fambolena sy ireo hafa tsy voatanisa. Nilaza ny praiminisitra fa dia teo aza ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana sy ireo mpisehatra samihafa amin’ny vonjy voina sy ny fanarenana maika tamin’ny famonjena sy fanohanana ireo traboina ary koa ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa simba iankinan’ny fiainam-pirenena, dia tsapa fa mbola maro ireo traboina mila fanampiana sy ireo fotodrafitrasa mila fanarenana maika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.